Fikambanan’ny Mpianatra Malagasy sy Maintimolaly eto Japana
Tongasoa eto amin’ny tranonkalan’ny Fikambanan’ny Mpianatra Malagasy sy Maintimolaly eto Japana. Fitaovana natokana hifaneraseran’ny mpikambana samy mpikambana ity ary natao ihany koa hifaneraseran’ny mpikambana amin’ny olona ivelan’ny fikambanana.
Raha mpianatra malagasy mianatra amin’ny oniversite aty japana ianao ka maniry ny hiditra ho mpikambana ary handray anjara amin’ny hetsika ataonay dia ataovy ireto dingana manaraka ireto.
- Midira ato amin’ ity pejy ity ary misorata anarana. (Dinihinay ny fangatahanao mba hialana amin’ny “spam”. Aza adino ny mametraka ny anaranao feno fa iny no anisan’ny hanekena na tsia ny fangatahanao.)
- Rehefa avy nisoratra anarana ianao dia midira ato.
- Rehefa voamarina ny mombamomba anao dia omenay alalana ianao hahita ny pejy natokana ho an’ny mpikambana.
Raha mpianatra malagasy maniry hianatra aty japana ianao dia tsidio matetika ny tranonkala fa hanomboka hanao fifampizarana izahay atsy ho atsy. Azonao atao ny mametraka fanontaniana aminay ato raha misy fanazavana misimisy kokoa tianao ho azo.
Ny mpiandraikitra,
Fikambanan’ny Mpianatra Malagasy sy Maintimolaly eto Japana